Bokin'i Joely

Toko faha-2

12 Na ankehitriny aza anefa, - teny marin'ny Tompo, miverena amiko, amin'ny fonareo rehetra, amin'ny fifadian-kanina sy amin-dranomaso amam-pitarainana.

13 Ny fonareo no triatriaro, fa aza ny fitafianareo, dia miverena amin'ny Tompo Andriamanitrareo, fa mamindra fo sy miantra izy, malain-kitezitra sy be hatsaram-po, ary ny loza afitsony dia alahelovany.

14 Iza moa no mahalala fa tsy hihemotra sy tsy hanenina, ary tsy hamela fitahiana eo aoriany izy, dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an'ny Tompo Andriamanitsika?

15 Tsofy ao Siona, ny trompetra, miantsoa fifadian-kanina, mamoria fiangonana.

16 Eho ny vahoaka, miantsoa fivoriana masina, angony ny anti-panahy, vorio ny ankizy madinika, sy ny zaza minono. Aoka ny mpampakatra handao ny efi-tranony, ary ny ampakarina ny trano lainy.

17 Eo anelanelan'ny alo-baravarana sy ny otely, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan'ny Tompo, hitomany ka hanao hoe: Iaveh รด, tsimbino ny vahoakanao, aza hatolotrao halam-baraka ny lovanao, ka hataon'ny firenena fandatsa. Ahoana no dia hanaovana any amin'ny firenena hoe: Fa aiza izay Andriamaniny?

18 Nentanin'ny fahasarotam-piaro ny taniny Iaveh ka namindra fo ny vahoakany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3452