Bokin'i Joely

Joely toko 3
Fahasoavana momba ny fanahy - Famantarana ny fitsarana farany.

       1 Ary rahefa afaka izany, dia indro
fa handatsaka ny Fanahiko amin'ny nofo rehetra aho,
ka ny zanakalahy aman-janakavavinareo haminany;
ny anti-panahinareo hahita nofy,
ny zatovonareo hahazo fahitana.
       2 Na dia ny mpanompolahy amam-panompovavy aza,
handatsahako ny fanahiko amin'izany andro izany.
       3 Haneho zava-mahagaga eny an-danitra sy ety an-tany aho,
dia ra sy afo aman-tsetroka mitankosina.
       4 Ny masoandro hiova ho aizina,
ary ny volana ho ra,
alohan'ny hahatongavan'ny andron'Iaveh,
izay sady lehibe no mahatahotra.
       5 Ary na zovy na zovy hiantso ny anaran'Iaveh, dia ho voavonjy;
fa ao an-tendrombohitra Siona sy ao Jerosalema
dia hisy fivorian'ny voavonjy araka ny voalazan'Iaveh,
mbamin'ireo eo amin'izay sisa velona, izay antsoin'Iaveh.