Bokin'i Joely

Toko faha-4

1 Fa amin'izany andro izany, sy amin'izany fotoana izany, izay hampodiako ireo lasan-ko babo avy amin'i Jodà sy Jerosalema,

2 dia indro fa hovoriko ny firenena rehetra, ka hoentiko midina ho eo amin'ny lohasahan'i Josafata; ary eo no hifandaharako amin'izy ireo, noho ny amin'Israely vahoakako sy lovako, izay naeliny tany amin'ny firenena, sy noho ny amin'ny taniko izay nozarazarainy.

3 Satria nanaovany loka ny vahoakako, zazalahy no nataony takalon'ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay, ka nisotro izy ireo.

4 Ny aminareo koa dia mifaninona izaho sy hianareo, ry Tira sy Sidona, mbaminareo faritany rehetra any Filistina? Mitady ny hamaly ahy va hianareo? Raha mba mihaika ahy hianareo, dia vetivety foana tsy ampy toy inona no hanatsingerenako eo an-dohanareo ny fihaikanareo;

5 fa hianareo no naka ny volafotsy amam-bolamenako, hianareo no nitondra ho any an-tempolinareo ny firavako sarobidy indrindra;

6 hianareo no nivarotra tamin'ireo zanak'i Javàna ny zanakalahin'i Jodà sy ny zanakalahin'i Jerosalema, mba hitondrana azy lavitra ny taniny.

7 Fa indro aho kosa efa hampitsangana azy any amin'ny tany nivarotanareo azy, sy hampitsingerina ny fihaikanareo ho eo an-dohanareo.

8 Hamidiko ny zanakalahy aman-janakavavinareo ho eo an-tanan'ny zanak'i Jodà, ka hamidiny amin'ny Sabeana amin'ny firenena lavitra any; fa Iaveh efa niteny.

9 Miantsoa izao any amin'ny firenena: Miomàna hiady hianareo! Asaovy mitsangàna ny lehilahy mahery! Aoka hanatona, aoka hiakatra avokoa, ny lehilahy mpiady rehetra!

10 Manaova sabatra amin'ny angadinareo; sy lefona amin'ny antsinareo; aoka ny osa hilaza hoe: olo-mahery fo aho!

11 Faingàna hianareo, tongava avokoa hianareo firenena manodidina rehetra, ka mivoria. Tompo o, ento midina ao ny maherinao!

12 Aoka hitsangana ny firenena, ary aoka hiakatra izy ho eny amin'ny lohasahan'i Josafata! Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.

13 Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary; avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika; satria be ny haratsian'izy ireo.

14 Vahoaka be, vahoaka be, ao amin'ny lohasahan'ny fanapahana!

15 Ny masoandro amam-bolana, nihamaizina, afaka amin'ny kintana ny famirapiratany.

16 Hierona avy ao Siona Iaveh, ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema izy; hihorohoro ny tany aman-danitra. Nefa Iaveh no ho fialofana ho an'ny vahoakany, ho fiarovana ho an'ny zanak'Israely.

17 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo aho, izay monina ao Siona, tendrombohitro masina; ho fitoerana masina, Jerosalema, ka tsy hodiavin'ny hafa firenena intsony.

18 Amin'izany andro izany dia hitete avy amin'ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao; ny havoana handriaka ronono; ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan'ny rano avokoa. Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'ny Tompo, ka handena ny lohasahan'ny Akasià.

19 Ejipta kosa, hanjary tany lao, Edoma ho efitra faharavana, noho ny fahasiahana namelezany ny taranak'i Jodà, fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin'ny taniny izy ireo.

20 Ary Jodà, honenana mandrakizay, ary Jerosalema koa mandritra ny taona mifandimby.

21 Fa hosasako ny ran'izy ireo, izay mbola tsy voasasako. Dia honina ao Siona Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2818