Bokin'i Joely

Toko faha-4

12 Aoka hitsangana ny firenena, ary aoka hiakatra izy ho eny amin'ny lohasahan'i Josafata! Fa any no hipetrahako hitsara ny firenena rehetra manodidina.

13 Raiso ny antsy fijinjana fa masaka ny vary; avia hanosihosy fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny barika; satria be ny haratsian'izy ireo.

14 Vahoaka be, vahoaka be, ao amin'ny lohasahan'ny fanapahana!

15 Ny masoandro amam-bolana, nihamaizina, afaka amin'ny kintana ny famirapiratany.

16 Hierona avy ao Siona Iaveh, ary hampandre ny feony avy eo Jerosalema izy; hihorohoro ny tany aman-danitra. Nefa Iaveh no ho fialofana ho an'ny vahoakany, ho fiarovana ho an'ny zanak'Israely.

17 Dia ho fantatrareo fa Iaveh Andriamanitrareo aho, izay monina ao Siona, tendrombohitro masina; ho fitoerana masina, Jerosalema, ka tsy hodiavin'ny hafa firenena intsony.

18 Amin'izany andro izany dia hitete avy amin'ny tendrombohitra rehetra ny divay vaovao; ny havoana handriaka ronono; ary ny lohasahan-driaka any Jodà, hitsororohan'ny rano avokoa. Hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon'ny Tompo, ka handena ny lohasahan'ny Akasià.

19 Ejipta kosa, hanjary tany lao, Edoma ho efitra faharavana, noho ny fahasiahana namelezany ny taranak'i Jodà, fa nandatsaka ny ra tsy manan-tsiny teo amin'ny taniny izy ireo.

20 Ary Jodà, honenana mandrakizay, ary Jerosalema koa mandritra ny taona mifandimby.

21 Fa hosasako ny ran'izy ireo, izay mbola tsy voasasako. Dia honina ao Siona Iaveh.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.207