Bokin'i Jonasa

Toko voalohany

1 Ary tonga tamin'i Jonasa, zanak'i Amatì, ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Mitsangàna hianao, ka mankanesa any Niniva, tanàna lehibe, hitory ny hamelezana azy, fa tafakatra hatraty amiko ny haratsian'izy ireo. 3 Dia nitsangana Jonasa handositra ho any Tarsisa, lavitra ny tavan'ny Tompo. Nidina tany Jope izy, dia nahita sambo ho any Tarsisa, ka naloany ny saran-tsambo, dia niditra tao izy, hiaraka amin'izy ireo ho any Tarsisa, lavitra ny tavan'ny Tompo.

4 Fa Iaveh kosa nampifofofofo rivo-mahery eny amin'ny ranomasina, ka nisy tafio-drivotra teny amin'ny ranomasina; ny sambo efa nila ho vaky.

5 Raiki-tahotra ny matilò ka samy nitaraina tamin'izay andriamaniny avy, sady nanary ny zavatra tao an-tsambo tany anaty ranomasina, mba hanamaivana azy; fa Jonasa kosa nidina tao am-bodisambo, dia nandry ka renoka natory tao. 6 Avy nanatona azy ny kapitenin-tsambo, ka nanao taminy hoe: Inona ity ataonao, no matory foana? Mitsangàna, antsoy ny Andriamanitrao, ndrao mba mihevitra antsika Andriamanitra, ka tsy ho faty isika. 7 Ary nifampilaza izy ireo nanao hoe: Avia, hanao filokana isika, mba hahafantarantsika izay mahatonga izao loza izao amintsika. Dia nanao filokana izy, ka Jonasa no voan'ny filokana. 8 Izay izy ireo nanao taminy hoe: Lazao aminay re, izay mahatonga izao loza izao amintsika! Inona no raharahanao; avy aiza hianao; aiza no taninao; ary inona no firenenao?

9 Ka izao no navaliny azy ireo: Hebrio aho, ary Iaveh, Andriamanitry ny lanitra, izay nanao ny tany aman-dranomasina, no ivavahako. 10 Dia raiki-tahotra mafy ireo olona ireo, ka nanao taminy hoe: Inona izany nataonao izany! Satria fantatr'ireo olona ireo fa nandositra lavitra ny tavan'ny Tompo izy, fa efa nambarany taminy izany. 11 Hataonay ahoana hianao, hoy ireo taminy, dia hitony amintsika ny ranomasina? Fa mbola nihananonja, nihananonja mafimafy kokoa ny ranomasina. 12 Ka hoy ny navaliny azy: Raiso aho, ka atsipazo any anaty ranomasina, ka hitony aminareo ny ranomasina; satria fantatro fa noho ny amiko, no mahatonga izao tafio-drivotra mafy izao aminareo. 13 Nivory ny olona mba hitondra ny sambo hitody amin'ny tany maina, fa tsy afaka; satria nihananonja mafimafy kokoa nanohitra azy ny ranomasina.

14 Koa dia niantso an'ny Tompo izy nanao hoe: Endrey! ry Iaveh ô! aoka tsy ho faty noho ny amin'ny ain'ity lehilahy ity izahay na ataonao milonjo ny ra tsy manan-tsiny, satria hianao no nanao araka izay sitrakao, ry Iaveh ô! 15 Dia noraisiny Jonasa, natsipiny tany amin'ny ranomasina, ka nitony ny fisafoaky ny ranomasina. Ary raiki-tahotra mafy an'ny Tompo ny olona, ka nanatitra sorona ho an'ny Tompo, sy raiki-boady.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0996