Bokin'i Jonasa
Jonasa toko 2
Jonasa tao an-kibon'ny hazandrano; fivavahana, famonjena.
1 Naniraka hazandrano lehibe anankiray Iaveh hitelina an'i Jonasa; ka tao an-kibon'ny hazandrano Jonasa, hateloan'andro sy hateloan'alina. 2 Dia nivavaka tamin'Iaveh Andriamaniny, Jonasa, tao an-kibon'ny hazandrano, 3 ka nanao hoe:
Niantso an'Iaveh tao anatin'ny fahoriako aho,
ary namaly ahy izy;
nitaraina aho tao an-kibon'ny seoly,
ka nihaino ny feoko hianao.
4 Natsipinao tany amin'ny hantsana aho,
dia tany anatin'ny ranomasina,
ka ny riaka nanodidina ahy;
ny alon-dranonao aman'onjanao rehetra
nandeha teo amboniko.
5 Dia hoy aho hoe:
Voaroaka tsy ho eo imasonao aho;
nefa mbola hibanjina
ny tempolinao masina.
6 Ny rano nanery ahy hatramin'ny aiko;
ny hantsana be nanodidina ahy;
ny ahi-dranomasina nangeja ny lohako.
7 Tafalentika hatrany amin'ny fanambanin'ny tendrombohitra aho;
ny hidin'ny tany efa voahidy tamiko mandrakizay.
Kanjo hianao kosa, nampiakatra ny aiko avy any an-davaka,
ry Iaveh Andriamanitro ô !
8 Raha reraka tao anatiko ny fanahiko,
dia nahatsiaro an'Iaveh aho;
ka tonga hatrany aminao ny fivavahako,
hatr'any an-tempolinao masina.
9 Izay miraiki-po amin'ny zava-poana tsinontsinona
dia mandao ilay fototry ny famonjena.
10 Fa izaho kosa, dia amin'ny feo fiderana anao,
no hanolorako sorona aminao;
ary ny voady nataoko hoefaiko.
An'Iaveh ny famonjena!
11 Dia nandidy ilay hazandrano Iaveh, ka naloan'ny hazandrano teny amin'ny tany Jonasa.