Bokin'i Jonasa

Toko faha-3

1 Tonga fanindroany tamin'i Jonasa ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Mitsangàna hianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao. 3 Dia nitsangana Jonasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin'ny Tompo. Ary Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, fa làlan-kateloana. 4 Nanomboka niditra tao anatin'ny tanàna, làlana indray andro aloha Jonasa, ka nitory izy nanao hoe: Rahefa afaka efapolo andro, dia horavana Niniva! 5 Nino an'Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasaka avokoa, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra.

6 Dia nampandrenesina izany ny mpanjaka, ka niala teo amin'ny seza fiandrianany, nanesotra ny kapaotiny, nirakotra lasaka, ary nipetraka teo amin'ny lavenona. 7 Ary nantsoina tao Niniva sy nolazaina araka ny didin'ny mpanjaka sy ny mpanapaka amin'izao teny izao: Aza misy manandrana zavatra akory na miraotra sy misotro rano, na olona na biby, na omby aman'ondry; 8 aoka samy hirakotra lasaka ny olona sy ny biby; ary aoka izy ireo hitaraina mafy amin'Andriamanitra, samy hiala amin'ny làlan-dratsiny sy ny asa fahasiahana fanaon'ny tànany avy. 9 Ndrao mba avy ihany izay hanenenan'Andriamanitra sy hitonen'ny hatezerany mirehitra, ka dia mba tsy haripaka isika? 10 Nahita ny nataon'izy ireo, sy ny nialany tamin'ny làlan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin'ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahany indray izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0724