Bokin'i Jonasa

Toko faha-3

1 Tonga fanindroany tamin'i Jonasa ny tenin'ny Tompo, nanao hoe:

2 Mitsangàna hianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao. 3 Dia nitsangana Jonasa, ka nankany Niniva, araka ny tenin'ny Tompo. Ary Niniva dia tanàna lehibe teo anatrehan'Andriamanitra, fa làlan-kateloana. 4 Nanomboka niditra tao anatin'ny tanàna, làlana indray andro aloha Jonasa, ka nitory izy nanao hoe: Rahefa afaka efapolo andro, dia horavana Niniva! 5 Nino an'Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasaka avokoa, hatramin'ny lehibe indrindra ka hatramin'ny kely indrindra.

10 Nahita ny nataon'izy ireo, sy ny nialany tamin'ny làlan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin'ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahany indray izany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0626