Bokin'i Josoe

Toko faha-13

1 Efa antitra sy efa nandroso fahanterana Josoe: ka hoy Iaveh taminy: Hianao ity efa antitra, efa mandroso fahanterana nefa tany lehibe dia lehibe no mbola sisa halaina.

2 Fa izao no tany sisa: ny faritanin'ny Filistina rehetra sy ny an'ny Gesoriana rehetra, 3 hatramin'i Sikora, izay eo atsinanan'i Ejipta ka hatrany amin'ny faritanin'i Akarona eo avaratra, izay tokony hatao ho tany Kananeana; ny andrianan'ny Filistina dimy, ny an'i Gazà, ny an'i Azota, ny an'i Askalona, ny an'i Geta, ny an'i Akarona; 4 any atsimo, ny Heveana, ny tanin'ny Kananeana rehetra, sy Maarà izay an'ny Sidoniana, hatrany Afeka, hatrany amin'ny faritanin'ny Amoreana, 5 ny tanin'ny Gebalita sy Libàna rehetra, any atsinanana, hatrany Baala-Gada, eo am-bodin'ny tendrombohitra Hermona, ka hatrany am-bavan'i Hamata; 6 ny mponina rehetra amin'ny tendrombohitra hatrany Libàna ka hatrany amin'ny ranon i Mserefota dia ny Sidoniana rehetra: horoahiko eo anoloan'ny zanak'Israely ireo. Nefa zarao amin'ny filokana ireo tany ireo ho lovan'Israely, araka ny efa nandidiako izany. 7 Ary ankehitriny zarao izany tany izany amin'ny foko sivy, sy ny antsasaky ny fokon'i Manase, mba ho lovany. 8 Fa ny antsasany efa niara-nahazo ny lova tamin'ny Robenita sy ny Gadita, izay nomen'i Moizy azy tany an-dafin'i Jordany any atsinanana, araka ny nomen'i Moizy mpanompon'ny Tompo azy; 9 hatrany Aroera eo amoron'ny ranon-driaka Arnona, sy ny tanàna eo afovoan'ny lohasaha, ny tany lemaka Medabà rehetra hatrany Dibona, 10 ny tanàna rehetra an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nanjaka tao Hesebona, hatrany amin'ny faritanin'ny taranak'i Armona, 11 Galaada, ny faritanin'ny Gesoriana sy ny Makatiana, ny tendrombohitra Hermona rehetra ary Basana rehetra hatrany Salekà; 12 ny fanjakana rehetra tany Basana an'i Oga, izay nanjaka tany Astarota sy tany Edraia; izy io no hany sisa tamin'ny Refaima: resin'i Moizy ireo mpanjaka ireo ka noroahiny. 13 Ny Gesoriana sy ny Makatiana anefa tsy mba noroahin'ny zanak'Israely ka samy mbola mitoetra eo amin'ny zanak'Israely mandrak'androany i Gesora sy Makata. 14 Ny fokon'i Levì tokana no tsy mba nomen'i Moizy lova, fa ny sorona atao amin'ny afo ho an'ny Tompo Andriamanitr'Israely no lovany araka ny voalazany taminy. 15 Nomen'i Moizy lova ny fokon'ny tarana-dRobena, araka ny fianakaviany avy,

16 ka izao no faritaniny, hatrany Aroera, eo amoron'ny ranon-driaka Arnona, sy ny tanàna eo afovoan'ny lohasaha, ny tany lemaka rehetra akaikin'i Medabà, 17 Hezebona sy ny tanànany rehetra amin'ny tany lemaka, Dibona, Bamota-Baala, Beti-Baala-Maona, 18 Jasà, Kedimota, Mefaata, 19 Kariataima, Sabamà, Sarat-Asara amin'ny tendrombohitra ao an-dohasaha, 20 Beti-Fogora, ny kisolosolon'i Fasgà, Beti-Jesimota, 21 ny tanàna rehetra amin'ny tany lemaka sy ny fanjakana rehetra an'i Sehona mpanjakan'ny Amoreana, izay nanjaka tao Hesebona, fa resin'i Moizy izy sy ireo andrianan'i Madiana, dia Evì, Rekema, Sora, Hora, ary Rebe, mpandoa hetra amin'i Sehona, monina amin'ny tany. 22 Anisan'ireo novonoin'ny zanak'Israely tamin'ny sabatra koa Balaama, mpanao hitsak'andro, zanak'i Beora. 23 Koa tonga hatrany Jordany ka hatramin'ny faritaniny ny faritanin'ny tarana-dRobena. Izany no lovan'ny tarana-dRobena sy ny fianakaviany dia ny tanàna aman-jana-bohiny. 24 Nomen'i Moizy anjara ny fokon'i Gada, ny taranak'i Gada, araka ny fianakaviany avy;

25 ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan'i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin'ny taranak'i Amona, hatrany Aroera tandrifin'i Rabà, 26 hatrany Hesebona ka hatrany Rabota-Masfe sy Betonima, ary hatrany Manaima ka hatrany amin'ny faritr'i Dabira, 27 ary eo amin'ny lohasaha, Beti-Harama, Beti-Nemrà, Sokota sy Safona, sisa tamin'ny fanjakan'i Sehona mpanjakan'i Hesebona; ary Jordany sy ny tany momba azy, hatramin'ny tendron'ny ranomasina Kenerata an-dafin'i Jordany any atsinanana. 28 Izany no lovan'ny taranak'i Gada, araka ny fianakaviany, dia ny tanàna aman-jana-bohiny. 29 Nomen'i Moizy anjara ny antsasaky ny fokon'i Manase, ny taranak'i Manase, araka ny fianakaviany,

30 ka izao no faritaniny, hatrany Manaima: Basana rehetra, ny fanjakana rehetra an'i Jaira any Basana, dia tanàna enimpolo. 31 Ny antsasak'i Galaada sy Astarota ary Edraia, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak'i Makira zanak'i Manase, dia ny antsasaky ny taranak'i Makira, araka ny fianakaviany. 32 Izany no lova nozarain'i Moizy fony izy tany amin'ny tany lemak'i Moaba, any an-dafin'i Jordany tandrifin'i Jerikao any atsinanana. 33 Tsy mba nomen'i Moizy lova ny fokon'i Levì, fa Iaveh Andriamanitr'Israely no lovany, araka ny voalazany taminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0825