Bokin'i Josoe

Toko faha-14

1 Izao no noraisin'ny zanak'Israely ho lova, tany amin'ny tany Kanaana, izay nozarain'i Eleazara mpisorona sy Josoe zanak'i Nòna, ary ny loham-pianakaviana amin'ny fokon'Israely.

2 Filokana no nahazoany ny lovany, araka ny nandidian'ny Tompo ho an'ny foko sivy sy ny antsasa-poko; 3 fa ny foko roa sy ny antsasa-poko efa nomen'i Moizy lova tany an-dafin'i Jordany; fa tsy mba nomeny lova teo amin'izy ireo ny Levita. 4 Fa mizara ho foko roa ny taranak'i Josefa dia Manase sy Efraima, fa tsy mba nomena anjara tamin'ny tany ny levita afatsy ny tanàna honenany sy ny fananany. 5 Nanatanteraka ny didy nomen'ny Tompo an'i Moizy ny zanak'Israely, ka nizara ny tany izy. 6 Nanatona an'i Josoe ny taranak'i Jodà tany Galgalà, ary Kaleba zanak'i Jefone, Kenezeana, nanao taminy hoe: Fantatrao izay nolazain'ny Tompo tamin'i Moizy olon'Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.

7 Efapolo taona aho, no nirahin'i Moizy, mpanompon'ny Tompo, avy tao Kadesa-Barne, hisafo ny tany; ary araka izay tao am-poko tokoa no nanaovako filazana taminy. 8 Ireo rahalahiko niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon'ny olona; fa izaho kosa nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo Andriamanitro; 9 ka nianiana Moizy tamin'izany andro izany, nanao hoe: Ho lovanao sy ny taranakao mandrakizay ny tany izay nohitsahin'ny tongotrao, fa nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo Andriamanitro hianao. 10 Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany Iaveh hatramin'ny dimy amby efapolo taona nilazany izany teny izany tamin'i Moizy, fony Israely nandeha tany an'efitra, ary dimy amby valopolo taona aho izao. 11 Mbola matanjaka aho anio toy ny fony nirahin'i Moizy, ny heriko ankehitriny sahala amin'ny fahizàny, na hiady, na hivoaka sy hiditra. 12 Koa omeo ahy io tendrombohitra voalazan'ny Tompo tamin'izany andro izany io; ny tenanao no nandre tamin'izany andro izany, fa ny Enakima no ao, mbamin'ny tanàna lehibe sy mimanda. Angamba homba ahy Iaveh ka hahavatra mandroaka azy ireo aho, araka ny tenin'ny Tompo. 13 Dia nitso-drano an'i Kaleba, zanak'i Jefone, Josoe ary nomeny ho lovany Hebrona.

14 Koa Kaleba zanak'i Jefone, Kenezeana, no tompon-dova an'i Hebrona mandrak'androany, satria nanaraka an-tsakany sy an-davany an'ny Tompo Andriamanitr'Israely izy. 15 Kariat-Arbe no anaran'i Hebrona fahiny; Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin'ny Enakima. Ary nitsahatra tamin'ny ady ny tany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0755