Bokin'i Josoe

Toko faha-16

1 Ny an'ny taranak'i Josefa araka ny filokana: Ny any atsinanana dia niantomboka avy eo amin'i Jordany ao Jerikao; avy eo dia tonga amin'ny efitra izay miakatra avy any Jerikao hatramin'i Betela mihazo ny tendrombohitra.

2 Avy ao Betela ny faritry ny tany nihatra tamin'i Lozy, ary nihazo tamin'ny faritry ny tanin'ny Arkeana ao Atarota, 3 dia nidina ao andrefana mankany amin'ny tanin'ny Jefletiana, hatramin'ny tanin'i Betorona ambany ka hatrany Gazera, dia nihatra amin'ny ranomasina. 4 Izany no lova noraisin'ny taranak'i Josefa, dia Manase sy Efraima. 5 Izao no faritry ny tanin'ny taranak'i Efraïma araka ny fianakaviany: ny faritry ny lovany dia izao: amin'ny atsinanana, Ataret-Adara hatrany Betorona ambony.

6 Amin'ny lafiny andrefana ny faritry ny tany dia nipaka tamin'i Makmetata, any avaratra, ary niolaka ny faritry ny tany atsinanana mankany Tanata-Selao, dia nihazo teo anoloany mankamin'ny atsinanan'i Janoe. 7 Avy eo Janoe dia nidina nankany Atarota sy Naaratà, nikasika an'i Jerikao, ka nihatra an'i Jordany. 8 Avy eo Tafohà dia nandroso any amin'ny lafiny andrefana ho any amin'ny ranon-driaka Kanà, ka nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny taranak'i Efraïma araka ny fianakaviany. 9 Nisy tanàna koa samy omban'ny zanabohiny avy nitokana teo afovoan'ny lovan'ny taranak'i Manase, ka an'ny taranak'i Efraïma. 10 Tsy nandroaka ny Kananeana nonina tao Gazera izy ireo, ka niara-nonina tamin'i Efraïma mandrak'androany ny Kananeana, nefa ampanaoviny fanompoana kosa.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0736