Bokin'i Josoe

Toko faha-2

1 Nandefa mpisafo tany roa lahy mangingina avy tany Setima Josoe zanak'i Nòna, nataony hoe: Mandehana, zahao ny tany, sy Jerikao. Dia niainga izy roa lahy, ka tonga tao amin'ny tranon'ity vehivavy janga anankiray atao hoe Rahaba, ary nandry tao.

2 Nisy kosa nampandre izany tamin'ny mpanjakan'i Jerikao, nanao hoe: Injao misy olona avy amin'ny zanak'Israely, tonga alina aty hisafo ny tany.

3 Dia naniraka ny mpanjakan'i Jerikao hilaza amin-dRahaba hoe: Avoahy ireo lehilahy izay tonga tao aminao tafiditra ny tranonao, fa hisafo ny tany no nahatongavan'ireo aty. 4 Fa nalain-dravehivavy kosa izy roa lahy ka nafeniny, dia hoy izy: Tonga teto amiko tokoa ireny lehilahy ireny, nefa tsy fantatro na avy aiza na avy aiza izy; 5 ary nony ndeha hanidy ny vavahady ny olona tamin'ny hariva dia nivoaka izy ka tsy fantatro izay nalehany. Enjeho faingana fa tratranareo izy. 6 Kanjo nasainy niakatra any ambony tafon-trano izy ireo, dia nafeniny tao ambony tafon-trano. 7 Nanenjika azy ireo olona nihazo ny làlana mankany amin'ny fitan'i Jordany, ary vao tafavoaka ireny mpanenjika ireny dia nohidiana ny vavahady. 8 Talohan'ny handrian'ireto mpisafo tany, dia niakatra tao aminy tao ambony tafon-trano Rahaba, ka nanao taminy hoe:

9 Fantatro fa efa nomen'ny Tompo anareo ity tany ity, satria izahay efa raiki-tahotra ny anaranareo; ny mponina rehetra amin'ity tany ity efa ketraka eo anoloanareo. 10 Renay ny nanamainan'ny Tompo ny ranomasina Mena teo anoloanareo, fony hianareo nivoaka avy tany Ejipta; sy ny nanaovanareo ny mpanjakan'ny Amoreana roa lahy, tany an-dafin'i Jordany, dia Sehona sy Oga, izay nataonareo anatema. 11 Ka nony nandre izany izahay dia samy rera-po sy nanary toky avokoa tamin'ny fihavianareo, satria Iaveh Andriamanitrareo ihany no Andriamanitra, any ambony amin'ny lanitra ary ety ambany amin'ny tany. 12 Koa ankehitriny, mihanta aminareo aho, mba hianiana amin'ny Tompo hianareo, fa ho toy ny namindrako fo taminareo no mba hamindranareo fo amin'ny ankohonan'ny raiko koa; ary omeo famantarana mahatoky aho, 13 fa hovelominareo ny raiko aman-dreniko, sy ny anadahy aman-drahavaviko, mbamin'ny olona rehetra momba azy, ka hamonjy anay tsy ho faty hianareo. 14 Dia hoy izy roa lahy taminy: Raha tsy ambaranao izao raharahanay izao dia aoka ho faty ho anareo izahay; ary rahefa homen'ny Tompo anay ny tany dia famindram-po amam-pahamarinana no hataonay aminao. 15 Dia nampidininy tamin'ny mahazaka avy eo am-baravaran-kely izy ireo, fa nanolotra ny manda indrindra ny tranony, ary teo ambony manda no nitoerany.

16 Ka hoy izy taminy: Mankanesa any an-tendrombohitra, fandrao tojo ny mpanenjika hianareo, ary miere any hateloana, mandra-piveriny; fa rahefa afaka izany vao mandehana amin'ny làlanareo. 17 Dia hoy ireo lehilahy taminy hoe: Izao no mba hanatanterahana ny fianianana nasainao hataonay: 18 Rahefa hiditra amin'ity tany ity izahay dia afehezo eo amin'ny varavaran-kely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan-drainao rehetra. 19 Ary izay mivoaka ny varavaran'ny tranonao ho any ivelany, dia azy ho azy ny rany, fa tsy anananay tsiny. Fa raha mikasi-tànana ny anankiray amin'izay rehetra ao an-tranonao, dia anay ho anay ny rany. 20 Raha hianao koa no manambara izao raharahanay izao, dia afaka amin'ny fianianana nampanaovinao anay izahay. 21 Hoy ny navaliny azy: Aoka ho araka ny teninareo. Dia nalefany izy ireo ka nandeha, ary nafehiny teo amin'ny varavaran-kely ilay kofehy mena mangatrakatraka. 22 Nony nandeha ireto mpisafo tany dia nankany an-tendrombohitra sy nijanona hateloana tao, mandra-piverin'ny mpanenjika azy. Nikaroka azy tany an-dàlana rehetra tany ireo mpanenjika azy, fa tsy nahita azy.

23 Dia niverina izy roa lahy, ka nidina ny tendrombohitra sy nita an'i Jordany. 24 Tonga tany amin'i Josoe zanak'i Nòna izy dia nilaza ny zavatra rehetra nihatra taminy. 25 Hoy izy tamin'i Josoe: Efa natolotry ny Tompo eo an-tànantsika tokoa ny tany rehetra, ary efa ketraka ny mponina rehetra amin'ny tany eo anoloantsika.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0541