Bokin'i Josoe

Toko faha-20

1 Niteny tamin'i Josoe Iaveh nanao hoe: Mitenena amin'ny zank'Israely, ka lazao hoe:

2 Anendreo tanàna fialofana hianareo araka izay nandidiako anareo tamin'ny alàlan'i Moizy, 3 hahazoan'ny mpamono handosirana, dia izay nahafaty olona tsy nahy, fa tsy nahalala, ka hatao fialofana ho anareo tsy ho azon'ny mpamaly rà. 4 Handositra amin'ny anankiray amin'ireo tanàna ireo izay namono olona, dia hijanona eo anoloan'ny vavahadin'ny tanàna, ka hanambara ny mahazo azy amin'ny loholon'izany tanàna izany, dia horaisin'ireo ho ao amin'ny ao an-tanàna izy, ka homeny trano mba hipetrahany eo amin'izy ireo. 5 Raha manenjika azy ny mpamaly rà, dia tsy hatolony ho eo an-tànany ny mpamono, satria tsy fahalalana no nahafatesany ny namany, fa tsy nankahala azy taloha izy. 6 Hitoetra amin'izany tanàna izany iazy nahafaty olona, mandra-pisehony hotsaraina eo anatrehan'ny fiangonana, mandra-pahafatin'izay mpisorona lehibe amin'izany andro izany. Fa amin'izay dia hody ilay nahafaty olona ary hiverina any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin'ny tanàna nialany nandositra. 7 Ny natokany dia Kadesy any Galilea amin'ny tendrombohitr'i Neftalì; Sikema, amin'ny tendrombohitr'i EfraIma, ary Kariat-Arbe, dia Hebrona izany, amin'ny tendrombohitr'i Jodà.

8 Any an-dafin'i Jordany tandrifin'i Jerikao any atsinanana dia ireto no nofidiny: Bosora, any an'efitra, any amin'ny tany lemaka, an'ny fokon-dRobena; Ramota, any Galaada, an'ny fokon'i Gada; ary Gaolona, any Basàna, an'ny fokon'i Manase. 9 Ireo no tanàna natokana ho an'ny zanak'Israely rehetra, sy ny vahiny mitoetra eo aminy, hialofan'izay rehetra nahafaty olona tsy nahy, mba tsy ho fatin'ny tànan'ny mpamaly rà izy, alohan'ny hisehoany eo anatrehan'ny fiangonana.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0371