Bokin'i Josoe
Josoe toko 23
Lahatenin'i Josoe tamin'ny mpifehy ny vahoaka.
1 Efa ela no nanomezan'Iaveh fitsaharana an'Israely, sy nanafahany azy tamin'ny fahavalony rehetra amin'ny manodidina, ka efa zoky olona sy nandroso fahanterana Josoe. 2 Koa nantsoin'i Josoe avokoa Israely rehetra, ny loholony, ny lehilahy, ny mpitsara azy, ary ny manamboninahiny, ka hoy izy taminy:
Efa zoky olona sy mandroso fahanterana aho. 3 Efa hitanareo izay rehetra nataon'Iaveh Andriamanitrareo tamin'ny firenena rehetra teo anoloanareo, fa Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo. 4 Indro efa nozaraiko taminareo mba ho lova ho an'ny fokonareo, tamin'ny filokana, ireo firenena izay mbola eo ihany sy ireo rehetra efa nofongorako hatrany Jordany ka hatrany amin'ny ranomasin-dehibe any andrefana any. 5 Iaveh Andriamanitrareo hampandositra ireny eo anoloanareo sy handroaka azy eo anoloanareo, ka ho lasanareo ny taniny, araka ny efa voalazan'Iaveh Andriamanitrareo taminareo. 6 Koa misehoa ho be herim-po amin'ny fitandremana amam-panarahana izay rehetra eo amin'ny bokin'ny lalàn'i Moizy, fa aza mivily na ho amin'ny ankavanana na ho amin'ny ankavia; 7 aza miharo amin'ireo firenena izay mbola tavela eo aminareo, aza miantso ny anaran'izay andriamanitr'ireo na mianiana amin'ny anarany, na manompo an'ireny na miankohoka eo anoloan'ireny hianareo, 8 fa miraiketa amin'Iaveh Andriamanitrareo, araka ny nataonareo mandraka androany. 9 Firenena lehibe sy mahery no noroahin'Iaveh teo anoloanareo, ka tsy nisy olona nahatoha anareo mandrak'androany. 10 Iray taminareo no nanenjika arivo fa Iaveh Andriamanitrareo no niady ho anareo, araka ny efa voalazany taminareo. 11 Koa mitandrema tena hianareo hitiavanareo an'Iaveh Andriamanitrareo. 12 Fa raha mivily hianareo, ka miray amin'ireo firenena sisa tafatoetra eo aminareo sy mifanambady amin'izy ireo, hianareo miharo aminy izy miharo aminareo, 13 dia fantaro tsara fa tsy hotohizan'Iaveh Andriamanitrareo ny fandroahana ireo firenena ireo eo anoloanareo; ka ho harato amam-pandrika ho anareo ireo, ary ho rotsakazo amin'ny lanivoanareo, sy ho tsilo amin'ny masonareo, mandra-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin'ity tany soa, nomen'Iaveh Andriamanitrareo anareo ity.
14 Ary inty aho, efa handeha amin'ny falehan'ny tany rehetra, koa fantaro amin'ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra, fa tsy misy foana akory na dia iray aza, ny teny rehetra nolazain'Iaveh ny aminareo; tanteraka avokoa ho anareo izany, tsy nisy latsaka na dia iray aza. 15 Koa toy ny nahatanterahan'ny teny soa rehetra nolazain'Iaveh Andriamanitrareo taminareo no hanatanterahan'Iaveh eo aminareo koa ny teny fandrahonana rehetra mandra-paharinganareo, tsy ho amin'ity tany soa nomen'Iaveh Andriamanitrareo anareo. 16 Raha mandika ny faneken'Iaveh Andriamanitrareo izay nandidiany anareo hianareo ka mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anoloan'ireny dia hirehitra aminareo ny fahatezeran'Iaveh, ka vetivety dia ho lany ringana tsy ho eo amin'ny tany soa nomeny anareo hianareo.