Bokin'i Josoe

Toko faha-24

1 Novorin'i Josoe, tao Sikema, ny fokon'Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon'Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan'ny Tompo izy ireo:

2 dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka rehetra. Izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Taloha dia tany an-dafin'ny ony no nonenan'ny razanareo. Tare rain'i Abrahama sy rain'i Nakora, ary andriamani-kafa no notompoin'izy ireo. 15 Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an'ny Tompo dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny ony; na ny andriamanitry ny Amoreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an'ny Tompo. 16 Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe: Lavitra anay izay handao an'ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.

17 Fa Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin'ny razantsika avy tany amin'ny tany Ejipta, amin'ny trano fanandevozana ary nanao ireo fahagagana lehite be eto imasontsika ary niaro antsika tamin'ny làlana nalehantsika sy tamin'ny firenena rehetra nandalovantsika. 18 Iaveh nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amoreana nonina tamin'ity tany ity. Izahay koa hanompo an'ny Tompo fa Andriamanitsika izy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0553