Bokin'i Josoe

Toko faha-24

14 Koa matahora an'ny Tompo ary manompoa azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamantra notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa an'ny Tompo.

15 Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an'ny Tompo dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny ony; na ny andriamanitry ny Amoreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an'ny Tompo. 16 Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe: Lavitra anay izay handao an'ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa.

17 Fa Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin'ny razantsika avy tany amin'ny tany Ejipta, amin'ny trano fanandevozana ary nanao ireo fahagagana lehite be eto imasontsika ary niaro antsika tamin'ny làlana nalehantsika sy tamin'ny firenena rehetra nandalovantsika. 18 Iaveh nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amoreana nonina tamin'ity tany ity. Izahay koa hanompo an'ny Tompo fa Andriamanitsika izy. 19 Dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Tsy mahatompo an'ny Tompo hianareo, fa izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro; tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo.

20 Raha mahafoy an'ny Tompo hianareo, ka manompo andriamani-kafa dia hifototra izy sy hampahory anareo ary handringana anareo izy izay efa nanao soa anareo. 21 Fa hoy ny vahoaka tamin'i Josoe: Tsia, fa hanomp an'ny Tompo izahay. 22 Ka hoy Josoe tamin'ny vahoaka: Vavolombelona amin'ny tenanareo hianareo, fa nifidy an'ny Tompo hotompoina. Hoy ny navaliny: vavolombelon'izany izahay. 23 Ario àry amin'izay ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin'ny Tompo Andriamanitr'Israely ny fonareo. 24 Ka hoy ny vahoaka tamin'i Josoe: Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay. 25 Nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoe tamin'izany andro izany ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema.

26 Nosoratan'i Josoe tamin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin'ny aoka, teo amin'ny fitoerana voatokana ho an'ny Tompo. 27 Dia hoy Josoe tamin'ny vahoaka rehetra: Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain'ny Tompo tamintsika io; ho vavolombeona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo. 28 Dia nampodin'i Josoe ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy. 29 Nony afaka izany dia maty Josoe, zanak'i Nona, mpanompon'ny Tompo, tamin'ny fahafolo amby zaton'ny taonany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0865