Bokin'i Josoe

Toko faha-3

7 Hoy Iaveh tamin'i Josoe: Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason'Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an'i Moizy no ombàko anao koa.

8 Ary hianao dia manomeza izao didy izao amin'ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny fanekena: Rahefa tonga eo amoron'ny ranon'i Jordany hianareo, dia mijanòna ao anatin'i Jordany. 9 Ary Josoe nilaza tamin'ny zanak'Israely hoe: Manatòna hianareo, ary mihainoa ny tenin'ny Tompo Andriamanitrareo. 10 Dia hoy Josoe: Izao no hahafantaranareo fa eo afovoanareo tokoa ny Andriamanitra velona, ka tsy maintsy horoahiny eo anoloanareo tokoa ny Kananeana, ny Heteana, ny Heveana, ny Ferezeana, ny Gergeseana, ny Amoreana, ary ny Jeboseana: 11 Indro handroso eo alohanareo ao anatin'i Jordany ny fiaran'ny faneken'ilay Tompon'ny tany rehetra; 13 Ary raha vao miroboka ao anatin'ny ranon'i Jordany ny faladian-tongotry ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny Tompo, Tompon'ny tany rehetra, dia ho tapaka ny ranon'i Jordany, ny midina avy any ambony, ka hihandrona hoatra ny antontan-javatra. 14 Nony efa nivoaka ny lainy ny vahoaka hita an'i Jordany dia nialoha ny vahoaka ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny fanekena.

15 Raha vao tonga teo Jordany ny mpitondra ny fiara, ary niroboka ny sisin-drano ny tongotry ny mpisorona mpitondra ny fiara - fa tondraka mihoatra ny morony rehetra i Jordany mandritra ny fararano, - 16 dia nihandrona ny rano midina avy any ambony, ka niavosa hoatra ny antontan-javatra tery lavitra ery, akaikin'ny tanànan'i Adoma, izay anilan'i Sartàna, ary tapaka mihitsy ny midina mankany amin'ny ranomasina Arabaha, dia ny ranomasin-tSira, ka nita tandrifin'i Jerikao ny vahoaka. 17 Nitsatoka tsy nihetsika tamin'ny tany maina teo afovoan'i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo, nandritra ny nitan'Israely rehetra tamin'ny tany maina, mandra-pahatafitan'ny firenena rehetra an'i Jordany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1343