Bokin'i Josoe

Toko faha-4

1 Nony tafita an'i Jordany avokoa ny firenena rehetra, dia hoy Iaveh tamin'i Josoe:

2 Mangalà roa ambin'ny folo lahy amin'ny vahoaka, dia lehilahy iray avy isam-pokony, 3 ka omeo didy izy hoe: Makà vato roa ambin'ny folo, avy eo amin'ity fitoerana ity, eo afovoan'i Jordany, amin'ilay fitoerana nitsatohan'ny tongotry ny mpisorona, dia ento miaraka aminareo, sy apetraho eo amin'izay fitoerana hitobianareo anio alina. 4 Dia nantsoin'i Josoe ny lehilahy iray avy isam-pokony, 5 ka nilazany hoe: Mandehana eo alohan'ny fiaran'ny Tompo Andriamanitrareo, eo afovoan'i Jordany, ka samia maka vato iray avy, hatao an-tsoroka, araka ny isan'ny fokon'Israely, 6 mba ho famantarana eo afovoanareo izany. Raha manontany anareo ny zanakareo indray andro any, manao hoe: Inona, hoy hianareo, no hevitr'ireo vato ireo? 7 dia valio hoe: Tapaka teo anoloan'ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ny ranon'i Jordany, fa nony nita an'i Jordany ny fiara dia tapaka ny ranon'i Jordany; ka fahatsiarovana mandrakizay ho an'ny zanak'Israely ireto vato ireto. 8 Notanterahin'ny zanak'Israely ny didin'i Josoe, fa araka ny tenin'ny Tompo tamin'i Josoe, dia naka vato roa ambin'ny folo teo afovoan'i Jordany, araka ny isan'ny fokon'Israely, nentiny teo amin'ny fitoerana tsy maintsy handriany amin'ny alina dia napetrany teo. 9 Nanangana vato roa ambin'ny folo Josoe, teo afovoan'i Jordany, teo amin'ilay toerana nijanonan'ny tongotry ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny fanekena; ka nipetraka tao mandrak'androany izany.

10 Nijanona teo afovoan'i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiara, mandra-pahatanteraky ny zavatra nasain'ny Tompo nolazain'i Josoe tamin'ny vahoaka, araka izay rehetra nandidian'i Moizy an'i Josoe; dia nita faingana ny olona.

11 Nony tapitra avokoa ny vahoaka rehetra dia nandeha teo anoloan'ny vahoaka ny fiaran'ny Tompo sy ny mpisorona. 12 Ary nandroso samy nitam-piadiana teo alohan'ny zanak'Israely, araka ny tenin'i Moizy taminy, ny tarana-dRobena sy ny taranak'i Gada, ary ny antsasaky ny fokon'i Manase, 13 Lehilahy sahabo ho efatra alina voaoman-kiady no nita teo anatrehan'ny Tompo teo amin'ny tany lemak'i Jerikao. 14 Nasandratry ny Tompo teo imason'Israely rehetra Josoe, tamin'izany andro izany, ka toy ny natahoran'izy ireo an'i Moizy no natahorany azy koa, tamin'ny andro rehetra niainany. 15 Ary niteny tamin'i Josoe Iaveh nanao hoe:

16 Omeo didy ny mpisorona mitondra ny fiaran'ny Vavolombelona, hiala eo Jordany. 17 Dia nomen'i Josoe ny mpisorona izao didy izao: Mialà eo Jordany hianareo. 18 Nony niala teo afovoan'i Jordany ny mpisorona nitondra ny fiaran'ny faneken'ny Tompo ka vao nikasika ny tany maina ny faladian-tongony, dia nody amin'ny toerany ny ranon'ny ony, toy ny taloha nihoatra ny morona indray. 19 Tamin'ny andro fahafolon'ny volana voalohany no niala teo Jordany ny vahoaka dia nitoby tao Galgalà, teo amin'ny sisintanin'i Jerikao farany atsinanana.

20 Natsangan'i Josoe teo Galgalà, ny vato roa ambin'ny folo nalain'izy ireo tao Jordany,

21 ka hoy izy tamin'ny zanak'Israely: Rahefa hanontany an-drainy ny zanakareo indray andro any hoe: 22 Inona no hevitr'ireo vato ireo? dia atoroy ny zanakareo ataovy hoe: Nandia tany maina Israely nita io Jordany io. 23 Satria nataon'ny Tompo Andriamanitrareo maina ny ranon'i Jordany teo anoloanareo mandra-pitanareo, toy ny nataon'ny Tompo Andriamanitrareo tamin'ny ranomasina Mena, izay nataony maina teo anoloantsika, mandra-pitantsika, 24 mba ho fantatry ny firenena rehetra eto an-tany, fa mahery ny tànan'ny Tompo, ary mba hatahoranareo mandrakariva an'ny Tompo Andriamanitrareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2221