Bokin'i Josoe

Toko faha-7

1 Nanao fahadisoana momba ny anatema ny zanak'Israely; fa naka tamin'ny zavatra natao anatema i Akàna, zanak'i Karmi, zanak'i Zabdì, zanak'i Zare, tamin'ny fokon'i Jodà, ka nirehitra tamin'ny zanak'Israely ny fahatezeran'ny Tompo.

2 Naniraka olona Josoe niala tao Jerikao ho any Haia, any anilan'i Beta-Avena atsinanan'i Betela, ka nanao tamin'ireo hoe: Miakara hisafo ny tany. Dia niakatra ireo olona ireo, ka nisafo an'i Haia.

3 Nony tafaverina tao amin'i Josoe izy ireo, dia nilaza taminy hoe: Aoka tsy ny vahoaka rehetra no hiakatra; olona roa na telo arivo ihany no hiakatra dia ho resiny Haia, ka aza manasatra ny vahoaka rehetra ny amin'izany tanàna izany, fa vitsy izy ireo. 4 Tokony ho telo arivo lahy tamin'ny vahoaka no niakatra, kanjo vaky nandositra teo anoloan'ny mponina tao Haia ireo. 5 Nahafaty tokony ho enina amby telopolo lahy tamin'izy ireo ny olona tao Haia, sady nanenjika azy hatrany am-bavahady ka hatrany Sabarima, sy namely azy teny am-pidinana. Ka nivarahontsana tery ny fon'ny vahoaka, ary nanary toky izy. 6 Dia notriarin'i Josoe ny fitafiany ka nihohoka tamin'ny tany teo anatrehan'ny fiaran'ny Tompo izy sy ny loholon'Israely, mandra-paharivan'ny andro, sady nandraraka vovoka tamin'ny lohany izy ireo.

7 Ary hoy Josoe: Andray, ry Iaveh Tompo ô, nahoana re no dia nampitainao an'i Jordany ity vahoaka ity, hanoloranao anay eo an-tànan'ny Amoreana, mba handringana anay? Inay anie izahay mba nahay nipetraka tany an-dafin'i Jordany ihany. 8 Mifona re aho, ry Tompo ô. Inona no holazaiko, fa Israely ity no niamboho ny fahavalony. 9 Handre izany ny Kananeana sy ny mponina rehetra amin'ny tany, dia hanemitra anay sy hamono ny anaranay eto an-tany. Ka hataonao ahoana ity anaranao lehibe? 10 Dia hoy Iaveh tamin'i Josoe: Mitsangàna hianao, nahoana no miankohoka toy izao?

11 Efa nanota Israely, fa ny fanekeko nasaiko notandremany, nivadihany, ka nangalany ny zavatra natao anantema, norobainy izany, sady namitahany fa nafeniny tany anaty entany. 12 Ka tsy nahatoha ny fahavalony ny zanak'Israely fa niamboho teo anoloan'ny fahavalony izy, satria tonga anatema. Tsy homba anareo intsony aho amin'ny sisa, raha tsy asorinareo hiala aminareo ny anatema. 13 Koa mitsangàna hianao, hamasino ny vahoaka, ka lazao aminy hoe: Hamasino ny tenanareo ho amin'ny rahampitso, fa izao no lazain'ny Tompo Andriamanitr'Israely: Misy anatema eo afovoanao, ry Israely; ka tsy hahatoha ny fahavalonao hianao, mandra-panaisotrareo ny anatema hiala eo afovoanareo. 14 Ny maraina dia hanatona isam-pokony hianareo, ka ny foko izay hotanan'ny Tompo dia hanatona isam-pianakaviana, ary ny fianakaviana izay hotanan'ny Tompo dia hanatona isan-trano, ary ny trano izay hotanan'ny Tompo dia hanatona isam-batan'olona; 15 ary izay voatana ho azon'ny anatema dia hodorana amin'ny afo, izy mbamin'izay rehetra mety ho azy; satria mivadika ny faneken'ny Tompo sy manao izay fady indrindra amin'Israely. 16 Nony ampitso nifoha vao maraina koa Josoe, dia nampanatona an'Israely isam-pokony, ka ny fokon'i Jodà no voatana.

17 Nampanatoniny Jodà isam-pianakaviany, ka ny fianakavian'i Zare no voatana. Nampanatoniny isan-trano ny fianakavian'i Zare, ka Zabdì no voatana. 18 Ary nampanatoniny isam-batan'olona ny tao an-tranon'i Zabdì, ka Akàna zanak'i Karmì, zanak'i Zabdì zanak'i Zare avy amin'ny fokon'i Jodà no voatana. 19 Dia hoy Josoe tamin'i Akàna: Akàna, mihanta aminao aho, omeo voninahitra Iaveh Andriamanitr'Israely sy omeo haja izy. Lazao amiko izay nataonao, fa aza afenina ahy izany.

20 Ary hoy Akàna namaly an'i Josoe: Marina izany, izaho tokoa no nanota tamin'ny Tompo Andriamanitr'Israely, ary izao no nataoko: 21 Hitako tamin'ny babo, ny kapaoty tsara anankiray avy any Senaara, volafotsy lanjan-droan-jato sikla, ary anja-bolamena lanjan-dimampolo sikla, nitsiriritra ireo aho ka naka azy; voafina any ambanin'ny tany ao an-daiko izany, ka ny vola no ao ambany. 22 Dia nampandeha iraka Josoe, ka nankany an-day faingana izy ireo, ka indreo ny zavatra voafina tao an-dain'i Akàna, ary ny volafotsy tao ambany; 23 dia nalainy avy tao afovoan'ny lainy ireny ka nentiny tany amin'i Josoe sy ny zanak'Israely rehetra, ary napetrany teo anatrehan'ny Tompo. 24 Josoe sy Israely rehetra niaraka taminy dia naka an'i Akàna zanak'i Zare, mbamin'ny volafotsy, ny kapaoty, ny anja-bolamena, ny zanaka lahy aman-janaka vavin'i Akàna, ny ombiny, ny ampondrany, ny ondriny, ny lainy, mbamin'ny ananany rehetra, ka nentiny niakatra tany an-dohasaha Akora.

25 Dia hoy Josoe: Nahoana no dia nampikorontana anay hianao? Mba hokorontanin'ny Tompo koa hianao anio. Dia nitora-bato azy Israely rehetra. Nodorana tamin'ny afo izy ireo ary notoraham-bato, 26 ary nanangana antontam-bato lehibe teo ambonin'i Akàna ny olona, ka mbola maharitra ao mandraka androany izany. Dia nitony Iaveh tamin'ny firehetan'ny fahatezerany. Noho izany zava-nitranga izany no iantsoana io toerana io mandraka androany hoe Lohasahan'i Akora.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0913