Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana
Toko voalohany
21 Hianareo koa fahiny, dia lavitra azy sy fahavalony, tamin'ny hevitra aman'asa ratsinareo,22 fa ankehitriny kosa dia nampihavaniny amin'ny tenany nofo tamin'ny nahafatesany, mba hatsangany masina sy madio ary tsy manan-tsiny eo anatrehany, 23 raha tàhiny hianareo maharitra sy miorim-paka mafy amin'ny finoana, ary tsy azo tsoahana hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny Evanjely, izay efa renareo sy notorìna taminareo ary nanendrena ahy, Paoly, ho mpandraharaha.