Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana
Toko voalohany
9 Koa hatramin'ny andro nandrenesanay izany, dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, ary izao no angatahinay: mba hofenoina ny fahalalana tsara ny sitra-pon'Andriamanitra, amin'ny fahendrena amam-pahazavan-tsaina rehetra ara-panahy hianareo,10 ka handeha mendrika ny Tompo, sy mahafa-po azy amin'ny zavatra rehetra; mba hahavokatra amin'ny asa soa rehetra hianareo, sady hitombo fahalalana an'Andriamanitra, 11 mba hampahatanjahina amin'ny hery rehetra araka ny fahefany be voninahitra hianareo, ka handefitra ny zavatra rehetra amim-paharetana sy an-kafaliana; 12 ary misaotra ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olo-masina any amin'ny mazava, 13 tamin'izay nanafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina, ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, 14 dia izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika.