Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Kolosiana toko 1, 24-28

       <24Ary ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin'ny nofoko izay tsy ampy amin'ny fahorian'ny Kristy ho an'ny tenany, dia ny Eglizy; 25fa voatendry ho mpandraharaha azy aho noho ny nanomezan'Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin'Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, 26dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin'ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin'ny olona masina, 27dia ireo tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-saro-bidy amin'ny jentily ny voninahitr'izany hevi-miafina izany, dia ny Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo. 28Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin'ny Kristy Jesoa; >