Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko voalohany

1 Paoly Apostolin'i Jesoa-Kristy, noho ny sitra-pon'Andriamanitra, sy Timote rahalahy,

2 mamangy ny olona masina sy ny mpino rahalahy ao amin'ny Kristy Jesoa, any Kolosy: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika! Tsy tapaka ny misaotra an'Andriamanitra Rain'i Jesoa-Kristy Tompontsika izahay, amin'ny fivavahana ataonay ho anareo, 4 hatramin'ny nandrenesanay ny finoanareo ny Kristy Jesoa, sy ny fitiavanareo ny olona masina rehetra, 5 noho ny fanantenanareo ny valisoa miandry anareo any an-danitra, araka ny renareo tamin'ny teny marin'ny Evanjely. 6 Ny Evanjely efa tonga atý aminareo, dia tonga amin'izao tontolo izao mihitsy, sady vokatra sy mitombo toy ny atý aminareo koa, hatramin'ny andro nandrenesanareo azy sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan'Andriamanitra ao anatin'ny marina, 7 araka ny fampianarana noraisinareo tamin'i Epafrasy, izay namanay malalanay amin'ny fanompoana an'Andriamanitra, sy mpandraharahan'ny Kristy mahatoky tokoa, ao aminareo. 8 Izy no nandrenesanay ny fitiavanareo ara-panahy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1643