Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko voalohany

12 ary misaotra ny Ray, izay nahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olo-masina any amin'ny mazava, 13 tamin'izay nanafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina, ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, 14 dia izy kosa no ananantsika ny fanavotana sy ny famelana ny fahotantsika. 15 Izy no endrik'ilay Andriamanitra tsy hita; izy no teraka talohan'izao voary rehetra izao;

16 tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ety an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fiamboniana, na fanapahana, na fahefana; taminy sy ho azy no nahariana ny zavatra. 17 Izy no talohan'ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra. 18 Izy no Lohan'ny tena, izany hoe ny Eglizy; izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin'ny maty, mba ho Loha amin'ny zavatra rehetra izy; 19 satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran'ny hafenoana rehetra; 20 ary tamin'ny alàlany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rahefa nampihavaniny tamin'ny rany teo amin'ny hazo fijaliana, dia tamin'ny tenany, na ny ety an-tany na ny any an-danitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0701