Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko voalohany

24 Ary ankehitriny dia mifaly amin'ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin'ny nofoko izay tsy ampy amin'ny fahorian'ny Kristy ho an'ny tenany, dia ny Eglizy;

25 fa voatendry ho mpandraharaha azy aho noho ny nanomezan'Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin'Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, 26 dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin'ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin'ny olona masina, 27 dia ireo tian'Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-saro-bidy amin'ny jentily ny voninahitr'izany hevi-miafina izany, dia ny Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo. 28 Izy no torinay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin'ny Kristy Jesoa;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2319