Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-2

12 fa niara-nilevina taminy hianareo tamin'ny batemy, ary niara-nitsangana taminy tamin'ny batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin'Andriamanitra izay nanangana azy tamin'ny maty. 13 Koa hianareo izay matin'ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn'ny vatanareo, dia novelomin'Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. 14 Fa novonoiny ny sora-tànan'ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin'ny nanomboany azy tamin'ny hazo fijaliana;

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.112