Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-3

1 Koa raha niara-nitsangana tamin'ny Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izay itoeran'ny Kristy eo an-kavanan'Andriamanitra, no katsaho;

2 ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. 3 Fa maty hianareo, ary miara-miafina amin'ny Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainanareo; 4 fa rahefa hiseho ny Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa hianareo. 5 Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an'ny ety an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin'ny nofo izay fanompoan-tsampy;

6 fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy finoana; 7 niara-nandeha tamin'ireny koa hianareo taloha fony ianareo nanaraka izany fiainana izany. 8 Fa ankehitriny kosa, ario kosa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo; 9 aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin'ny asany, 10 ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana lavorary araka ny endrik'ilay nahary azy, 11 ka tsy mahalala intsony izay hoe jentily na Jody, voafora na tsy voafora, baribariana na Sita, andevo na olona afaka, fa izao ihany: ny Kristy no zavatra rehetra ao amin'izy rehetra. 12 Olom-boafidin'Andriamanitra àry hianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.

13 Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin'ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan'ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. 14 Fa ambonin'izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin'ny hatsaram-panahy rehetra. 15 Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'ny Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie hianareo. 16 Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin'ny Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin'ny fahendrena rehetra hianareo; ary hoentin'ny fahasoavana hihira ho an'Andriamanitra ao am-ponareo, amin'ny salamo aman-kira fiderana, mbamin'ny tonon-kira masina. 17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny alàlany. 18 Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo, araka ny mety ao amin'ny Tompo.

19 Hianareo lehilahy, tiavo ny vadinareo, ary aza sosotsosotra aminy. 20 Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin'ny zavatra rehetra, fa ankasitrahan'ny Tompo izany.

21 Hianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fandrao dia mamoy fo izy. 22 Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin'ny zavatra rehetra, tsy eo imasony ihany, toy ny mpila sitraka amin'olombelona, fa amim-pahatsoram-po sy amim-pahatahorana ny Tompo.

23 Na inona na inona ataonareo, dia ataovy amin'ny fo tokoa, toy ny amin'ny Tompo, fa tsy amin'olombelona, 24 satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny valiny, dia ny lova any an-danitra; koa manompoa ny Kristy Tompo hianareo. 25 Sady izay manao ny tsy marina anie, ka handray araka ny tsy marina nataony e! fa tsy mba misy fizahan-tavan'olona.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0384