Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-3

1 Koa raha niara-nitsangana tamin'ny Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izay itoeran'ny Kristy eo an-kavanan'Andriamanitra, no katsaho;

2 ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. 3 Fa maty hianareo, ary miara-miafina amin'ny Kristy ao amin'Andriamanitra ny fiainanareo; 4 fa rahefa hiseho ny Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa hianareo. 5 Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an'ny ety an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin'ny nofo izay fanompoan-tsampy;

9 aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin'ny asany, 10 ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana lavorary araka ny endrik'ilay nahary azy, 11 ka tsy mahalala intsony izay hoe jentily na Jody, voafora na tsy voafora, baribariana na Sita, andevo na olona afaka, fa izao ihany: ny Kristy no zavatra rehetra ao amin'izy rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2323