Taratasin'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-3

12 Olom-boafidin'Andriamanitra àry hianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.

13 Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin'ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan'ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. 14 Fa ambonin'izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin'ny hatsaram-panahy rehetra. 15 Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'ny Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie hianareo. 16 Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin'ny Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin'ny fahendrena rehetra hianareo; ary hoentin'ny fahasoavana hihira ho an'Andriamanitra ao am-ponareo, amin'ny salamo aman-kira fiderana, mbamin'ny tonon-kira masina. 17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny alàlany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.104