Epistolan'i Md. Paoly Ho An'ny Kolosiana

Toko faha-3

5 Koa ataovy maty àry ny rantsam-batanareo, dia ny an'ny ety an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin'ny nofo izay fanompoan-tsampy;

6 fa izany rehetra izany no mahatonga ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny zanaky ny tsy finoana; 7 niara-nandeha tamin'ireny koa hianareo taloha fony ianareo nanaraka izany fiainana izany. 8 Fa ankehitriny kosa, ario kosa izao zavatra izao: dia fahatezerana, fahavinirana, fahasomparana, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra aloaky ny vavanareo; 9 aza mifandainga hianareo, fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin'ny asany, 10 ary efa notafinareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin'ny fahalalana lavorary araka ny endrik'ilay nahary azy, 11 ka tsy mahalala intsony izay hoe jentily na Jody, voafora na tsy voafora, baribariana na Sita, andevo na olona afaka, fa izao ihany: ny Kristy no zavatra rehetra ao amin'izy rehetra. 12 Olom-boafidin'Andriamanitra àry hianareo, sady masina sy malala, ka mitafia famindram-po amam-piantrana, halemem-panahy amam-panetren-tena, fahamaotonana amam-pandeferana.

13 Aoka hifandefitra sy hifamela heloka, raha misy manana alahelo amin'ny namany. Aoka ho tahaka ny namelan'ny Tompo heloka anareo no hamelanareo heloka koa. 14 Fa ambonin'izany rehetra izany, dia mitafia ny fitiavana, izay fehin'ny hatsaram-panahy rehetra. 15 Hanjaka ao am-ponareo anie ny fiadanan'ny Kristy izay niantsoana anareo hiforona ho tena iray; ary hahay mankasitraka anie hianareo. 16 Hitoetra be dia be ao anatinareo anie ny tenin'ny Kristy, ka hifampianatra sy hifananatra amin'ny fahendrena rehetra hianareo; ary hoentin'ny fahasoavana hihira ho an'Andriamanitra ao am-ponareo, amin'ny salamo aman-kira fiderana, mbamin'ny tonon-kira masina. 17 Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i Jesoa Tompo ny zavatra rehetra, sy amim-pisaorana an'Andriamanitra Ray amin'ny alàlany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1627