Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko voalohany

10 Mihanta aminareo amin'ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, aho, ry rahalahy, mba hiray teny daholo hianareo, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa ho tafakambana tsara amim-piraisan-tsaina sy hevitra avokoa hianareo.

11 Reko tamin-dry Kloe anie ny aminareo eo, fa hoe misy fifandirana ao aminareo; 12 izany hoe, ny sasany aminareo manao hoe: Izaho an'i Paoly; ny sasany kosa manao hoe: Izaho an'i Apolo, na izaho an'i Sefasy, na izaho an'ny Kristy! 13 Voazarazara va ny Kristy? Ary Paoly va no voafantsika tamin'ny hazo fijaliana ho anareo? Sa tamin'ny anaran'i Paoly no natao batemy hianareo?

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0932