Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 1, 22-25
<22Fa ny Jody mila famantarana; ny jentily mitady fahendrena; 23ary izahay kosa mitory ny Kristy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. Fanafintohinana amin'ny Jody izany, ary fahadalana amin'ny jentily; 24fa ny Kristy herin'Andriamanitra sy fahendren'Andriamanitra kosa amin'izay voaantso, na Jody na jentily. 25Fa izay toa fahadalan'Andriamanitra dia hendry noho ny fahendren'ny olombelona, ary izay toa fahalemen'Andriamanitra dia mahery noho ny herin'ny olombelona. >