Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 1, 3-9
<3ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo.
       4Isaorako an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra nomena anareo ao amin'i Jesoa-Kristy: 5fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, dia amin'ny teny rehetra sy amin'ny fahalalana rehetra; 6ary noho ny niorenan'ny Evanjelin'ny Kristy eo aminareo, 7dia tsy latsa-danja noho ny hafa hianareo amin'ny fahasoavana rehetra, any ka miandry amim-pitokisana ny fisehoan'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 8Izy ihany koa no hampiorina anareo hatramin'ny farany, mba tsy hanan-tsiny hianareo amin'ny andron'i Jesoa-Kristy Tompontsika. 9Eny, mahatoky Andriamanitra izay niantso anareo hiray amin'ny Zanany, dia Jesoa-Kristy Tompontsika. >