Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-10

1 Fa tsy tiako tsy ho fantatrareo, ry rahalahy, fa tambanin'ny rahona ny razantsika rehetra; namaky ny ranomasina izy rehetra;

2 ary natao batemy tamin'i Moizy tao amin'ny rahona sy ny ranomasina izy rehetra; 3 hanina ara-panahy iray ihany no nohanin'izy rehetra; 4 ary fisotro ara-panahy iray ihany no nosotroin'izy rehetra, satria nisotro tamin'ny vatolampy ara-panahy izay nanaraka azy izy ireo, ary Kristy izany vatolampy izany. 5 Tsy sitrak'Andriamanitra anefa ny ankabiazan'izy ireny, fa lambam-bary tany an'efitra. 6 Ary izany zavatra izany dia tonga mba ho anatra ho antsika, mba tsy hitsiriritra ny ratsy isika, toy ny nitsiriritan'ireny,

10 ary aoka hianareo tsy himonjomonjo tahaka ny sasany tamin'ireny, ka matin'ny anjely mpandringana izy ireny. 11 Nozoin'izany rehetra izany izy ireny mba ho anatry ny sasany; ary nosoratana izany mba ho fananarana antsika tratr'izao andro farany izao. 12 Koa aoka àry izay manao ny tenany ho mijoro tsara hitandrina sao lavo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719