Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-11

23 Fa izao no noraisiko tamin'ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin'ny alina namadihana azy iny Jesoa, dia nandray mofo,

24 ka nony efa nisaotra izy, dia namaky azy sy nanao hoe: Raiso ary hano, ity no vatako ho anareo; manaova izao ho fahatsiarovana ahy. 25 Toy izany koa, nony efa nihinana, dia hoy izy: Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin'ny rako; manaova izao ho fahatsiarovana ahy, isaky ny misotro hianareo. 26 Fa isaky ny mihinana ity mofo ity sy misotro amin'ity kalisy ity hianareo, dia manambara ny fahafatesan'ny Tompo mandra-pihaviny.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0289