Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-12

3 Koa mampahafantatra anareo aho fa tsy misy olona ampitenenin'ny Fanahin'Andriamanitra ka hanao hoe: Anatema Jesoa; ary tsy misy afa-milaza hoe: Jesoa no Tompo, raha tsy amin'ny Fanahy Masina. 4 Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;

5 maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany; 6 ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7 Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro. 12 Fa toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa ny Kristy.

13 Fa Fanahy iray ihany no nanaovana batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na jentily, na andevo na olom-potsy; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.135