Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-12

4 Maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy;

5 maro samihafa ny fanompoana, nefa ny Tompo iray ihany; 6 ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin'ny olona rehetra. 7 Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro. 8 Fa ny anankiray omen'ny Fanahy teny fahendrena, ny anankiray teny fahalalana, araka io Fanahy io ihany;

9 ny anankiray finoana, araka io Fanahy io ihany; ny anankiray fahazoa-manasitrana, mbola avy amin'io Fanahy io ihany koa; 10 ny anankiray, ny manao fahagagana; ny anankiray, ny maminany; ny anankiray, ny mahafantatra ny fanahy samihafa; ny anankiray miteny fiteny samihafa, ary ny anankiray, ny mandika teny. 11 Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin'ny isan'olona, araka ny sitra-pony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.124