Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko faha-15
35 Fa hisy hanao hoe: Hatao ahoana no fanangana ny maty? Vatana toy inona no hiverenany?36 Ry adala, tsy maintsy maty aloha izay afafinao, vao velona indray. 37 Ary raha mamafy hianao, tsy ny tenan'izay ho avy no afafinao, fa ny voa fotsiny ihany, na voam-bary izany, na voan-javatra hafa; 42 Toy izany koa ny fitsanganan'ny maty; mety lò izy no afafy, fa tsy mety lò no atsangana;
43 tsy misy hajany izy no afafy, fa be voninahitra no atsangana; malemy izy no afafy, fa mahery no atsangana; 44 vatana manana aina fotsiny no afafy, fa vatana ara-panahy no atsangana. Fa misy vatana manana aina fotsiny, ary misy vatana ara-panahy; izany no voasoratra hoe: 45 Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. 46 Tsy ny ara-pahany anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. 47 Avy amin'ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin'ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. 48 Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. 49 Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no nitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.