Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-15

20 Tsy izany anefa, fa efa nitsangana tamin'ny maty tokoa ny Kristy, ary izy no santatr'izay efa nody mandry;

21 satria olona iray no nihavian'ny fahafatesan'ny olona ka dia olona iray koa no ihavian'ny fitsanganan'ny maty; 22 ary toy ny ahafatesan'ny olon-drehetra ao amin'i Adama, no hahaveloman'ny olon-drehetra ao amin'ny Kristy, 23 fa manaraka ny laharany avy: ny Kristy no santatra, dia izay an'ny Kristy amin'ny andro hihaviany. 24 Rahefa afaka izany, tonga ny farany, dia rahatrizay hatolony amin'Andriamanitra sy amin'ny Ray ny fanjakana, rahefa levony avokoa ny fanapahana sy ny fahefana ary ny hery rehetra. 25 Satria tsy maintsy manjaka izy ambara-panaony ny fahavalony rehetra eo ambanin'ny tongony. 26 Ny fahafatesana no fahavalo farany horesena, fa ny zavatra rehetra efa nampanekeny ho eo ambanin'ny tongony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.157