Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-15

7 Rahefa izany, dia niseho tamin'i Jakoba izy, vao tamin'ny Apostoly rehetra. 8 Ary faran'izy rehetra, mba nisehoany koa aho, dia izaho izay toy ny tsy tonga volana. 9 Fa ambany indrindra amin'ny Apostoly aho, ary tsy mendrika hantsoina hoe Apostoly akory aza, satria nanenjika ny Eglizin'Andriamanitra aho; 10 saingy ny fahasoavan'Andriamanitra no naha-toy izao ahy. Tsy foana tao amiko anefa ny fahasoavana, fa niasa bebe kokoa noho izy rehetra aho; na tsy izaho, fa ny fahasoavan'Andriamanitra niaraka tamiko. 11 Koa izany àry no torinay, na izaho na izy ireo; ary izany koa no ninoanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0696