Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-2

1 Fony aho tonga tany aminareo koa, ry rahalahy, dia tsy mba tamin-teny ambony, na tamim-pahendrena no nitoriako ny Evanjelin'Andriamanitra taminareo.

2 Fa ninia tsy nahalala zavatra hafa afa-tsy Jesoa-Kristy aho tany aminareo, indrindra fa izy voafantsika tamin'ny hazo fijaliana. 3 Ary tamim-pahalemena sy tahotra ary hovitra be no nanatonako anareo; 4 sady tsy mba tamin'ny tenim-pahendrena mampiaiky volana no nampianarako sy nitoriako teny taminareo, fa tamin'ny fanehoan'ny Fanahy sy ny herin'Andriamanitra azy ho marina, 5 mba tsy hiorenan'ny finoanareo amin'ny fahendren'olombelona, fa amin'ny herin'Andriamanitra ihany.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1223