Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-2

6 Mitory fahendrena amin'izay efa lavorary ihany izahay; nefa tsy mba ny fahendren'izao tontolo izao izany, na an'ny mpanapak'izao tontolo izao, izay olona efa ho levona;

7 fa fahendren'Andriamanitra no torinay, dia fahendrena lalina tsy hita polopolorina, izay voatendrin'Andriamanitra talohan'izao tontolo izao hampahazo voninahitra antsika; 8 ary tsy nisy nahatakatra izany ny mpanapak'izao tontolo izao (satria raha nahalala izy, dia tsy ho namantsika ny Tompon'ny voninahitra tamin'ny hazo fijaliana); 9 fa izany dia anisan'ireo zavatra voasoratra hoe: Zavatra mbola tsy hitan'ny maso na mbola ren'ny sofina, na mbola tafiditra tao am-pon'ny olona velively no namboarin'Andriamanitra ho an'izay tia azy. 10 Tamintsika no nanambaran'Andriamanitra izany tamin'ny Fanahiny; satria mahafantatra ny zavatra rehetra ny Fanahy, na dia izay lalina indrindra ao amin'Andriamanitra aza.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1194