Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-6

13 Ny hanina, ho an'ny kibo; ny kibo, ho an'ny hanina, ary izy roroa, samy holevonin'Andriamanitra. Fa ny vatana kosa tsy mba ho an'ny fijangajangana, fa ho an'ny Tompo; ary ny Tompo, ho an'ny vatana. 14 Efa nanangana ny Tompo tamin'ny maty Andriamanitra, ka hanangana antsika amin'ny heriny koa. 15 Tsy fantatrareo va fa rantsam-batan'ny Kristy ny vatanareo? Ka rantsam-batan'ny Kristy ve dia halaiko hatao rantsam-batan'ny vehivavy janga e? Sanatria izany! 17 Ary izay miray amin'ny Tompo kosa dia fanahy iray aminy. 18 Halaviro ny fijangajangana. Ny fahotana hafa rehetra dia ataon'ny olona any ivelan'ny tenany avokoa; fa ny fijangajangana ihany no ataony amin'ny tenany indrindra. 19 Tsy fantatrareo va fa ny vatanareo dia tempolin'ny Fanahy Masina, izay mitoetra ao anatinareo, sy noraisinareo tamin'Andriamanitra, ka tsy anareo ny vatanareo? 20 Fa olom-boavidy lafo hianareo. Andriamanitra àry no omeo voninahitra amin'ny vatanareo.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0779