Eto ianao : Fandraisana> Baiboly

Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

1 Korintiana toko 7, 32-35,
<32ka tiako tsy ho maro ahina hianareo. Izay tsy manam-bady, dia miahy ny momba ny Tompo, mba hahafaly ny Tompo; 33fa ny lehilahy izay manam-bady kosa miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny vavy, ka voazara izy. 34Toy izany koa ny vehivavy; izay tsy manam-bady sy ny virjiny, dia miahy ny momba ny Tompo, mba ho masina ny vatana amam-panahiny; fa ny vehivavy izay manam-bady kosa dia miahy ny momba izao fiainana izao, mba hahafaly ny lahy. 35Ny hahasoa anareo anie no nilazako izany, fa tsy ny hamadika anareo e! natoroko anareo ny tena mety hikambananareo amin'ny Tompo tsy aman-tsampona. >