Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-9

15 Izaho anefa dia sady tsy nampiasa izany fahefana izany no tsy nanoratra ity ho toy ny hitaky izany hatao amiko. Aleoko maty, toy izay ny voninahitro amin'izany no hofoanan'olona.

16 Raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho. 17 Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. 18 Inona àry no valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin'ny Evanjely.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1848