Epistola Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana

Toko faha-9

16 Raha mitory ny Evanjely aho, dia tsy mba izany no voninahitro, fa adidy tsy maintsy efaiko izany, ka loza ho ahy raha tsy mitory ny Evanjely aho. 17 Raha safidim-poko fotsiny no anaovako izany, dia hoe mendri-baly aho; fa didy no anaovako azy, ka dia adidy napetraka hiandraiketako izany. 18 Inona àry no valisoa azoko? Izao ihany: mitory ny Evanjely aho, ary mitory azy maimaim-poana, fa tsy mampiasa ny fahefana ananako avy amin'ny Evanjely. 19 Eny, na dia olona afaka aza aho, ka tsy mpanompon'iza n'iza akory, dia nilatsaka ho mpanompon'ny olona rehetra kosa, mba hahazoako olona maromaro kokoa.

22 tamin'ny malemy aho, dia hoatra ny malemy, mba hahazoako ny malemy. Eny, tonga toa azy rehetra tamin'ny olona rehetra aho, mba hamonjeko azy rehetra. 23 Ary noho ny Evanjely no nanaovako izany rehetra izany, mba hananako anjara aminy.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0527