Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana
2 Korintiana toko 13, 11-13,
<11Farany, ry rahalahy, mifalia, miezaha ho lavorary, mifanalà alahelo, miraisa hevitra, mihavàna tsara, dia ho eo aminareo ny Andriamanitry ny fitiavana amam-piadanana. 12Mifanaova veloma amin'ny fanorohana masina. Manao veloma anareo ny olo-masina rehetra.
13Ho aminareo rehetra anie ny fahasoavan'i Jesoa-Kristy Tompo, sy ny fitiavan'Andriamanitra, ary ny firaisana amin'ny Fanahy Masina! >