Taratasy Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-3

4 Ary Andriamanitra ihany no anananay izao fahasahianay izao, amin'ny alalan'ny Kristy.

5 Tsy ny tenanay akory no ampy hahahevitra zavatra toy ny avy amin'ny tenanay; Andriamanitra ihany no ihavian'ny fahampiany. 6 Izy ihany koa no maha-ampy anay ho mpandraharaha amin'ny fanekena vaovao, tsy mpandraharaha amin'ny soratra anefa, fa mpandraharaha amin'ny fanahy, satria ny soratra mahafaty, fa ny fanahy no mahavelona. 7 Ary raha ny fandraharaham-pahafatesana voasoratra tamin'ny vato aza nohodidinim-boninahitra, ka tsy nahabanjina ny tavan'i Moizy ny zanak'Israely, noho ny famirapiratry ny voninahiny mandalo foana,

8 tsy mainka va fa ny fandraharaham-panahy no hohodidinim-boninahitra? 9 Eny, raha ny fandraharahana ny fanamelohana aza nisy voninahitra, dia vao mainka hanan-tombom-boninahitra ny fandraharahana ny fahamarinana; 10 ka tsy azo lazaina ho voninahitra akory ny an'ilay voalohany, raha oharina amin'ny an'ity ankehitriny ambony lavitra. 11 Satria raha nomem-boninahitra ilay nandalo, vao mainka ho be voninahitra ity maharitra.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0627