Epistola Faharoan'i Md. Paoly Ho An'ny Koritiana

Toko faha-5

17 Noho izany, na iza na iza ao amin'ny Kristy, dia zava-boary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha, fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. 18 Ary tsy iza no nihavian'izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; 19 satria Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao aminy indray, tamin'ny alalan'i Jesoa-Kristy, ka tsy nitana ny fahotan'ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. 20 Koa sady solon'ny Kristy àry izahay no irak'Andriamanitra koa, ka tahaka an'Andriamanitra no mananatra, sy toy ny tenan'ny Kristy no mihanta aminareo hoe: Mihavàna re amin'Andriamanitra hianareo! 21 Fa he ity izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao aminy isika!

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0992