Taratasy Voalohan'i Md. Paoly Ho An'ny Korintiana
Toko voalohany
1 Paoly voaantso ho Apostolin'i Jesoa-Kristy noho ny sitrapon'Andriamanitra, sy Sostena rahalahy2 mamangy ny Eglizin'Andriamanitra any Korinto, dia ireo mpino nohamasinina ao amin'i Jesoa-Kristy, olona voaantso sady masina, mbamin'izay rehetra miantso ny anaran'i Jesoa-Kristy Tompontsika, na aiza na aiza misy azy: 3 ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika, sy Jesoa-Kristy Tompo. 4 Isaorako an'Andriamanitra mandrakariva ny aminareo, noho ny fahasoavan'Andriamanitra nomena anareo ao amin'i Jesoa-Kristy:
5 fa noho ny firaisanareo aminy, tonga manan-karena amin'ny zavatra rehetra hianareo, dia amin'ny teny rehetra sy amin'ny fahalalana rehetra;